- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Kandidà ben’ny maty novonoina

Betroka : Kandidà ben’ny maty novonoina

Kandidà ben’ny tanàna iray nilatsaka tamin’ny listra tsy miankina tao amin’ny kaominina Ianakafy any amin’ny distrikan’i Betroka,no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny 16 aogositra teo. Raha ny vaovao voaray, dia avy nametraka fitoriana tao amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tao Toliara ity kandidà ity, no nisy nitifitra teny an-dàlana, izy handeha hody any Ianakafy hamonjy ny toeram-ponenany.

Raha ny resa-be miely ao Betroka antampon-tanàna, dia valifaty politika tamin’ny fiarovany ny isam-bato azony no namonoana an’ity kandidà ity ; izay nitarika tamin’ny isam-bato ambony, nefa nahodina ny safidim-bahoaka mba hampandresena kandidà iray. Nametraka fitoriana tany Toliara ny tenany, noho ny familiviliana ny safidin’ny vahoaka nifidy sy nampandany azy. Vatana mangatsiaka tsy nisy aina sisa nalain’ny  fianakaviany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici