- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Matin’ny dahalo ny miaramila iray

Betroka : Matin’ny dahalo ny miaramila iray

“Sergent-chef” no galonany. Miasa eo anivon’ny kaompania 517 ao Betroka izy. Henony fa nisy asan-dahalo nitranga tao an-tanàna (Betroka) ary tsy iza fa ny  rainy ihany no niharan’izany. Lasa ny omby miisa 28 tao amin’ilay tanàna. Nanetsi-po an’ity miaramila ity izany ka tsy nisalasala nidina an-tsehatra nanampy ny fokonolona tamin’ny fanarahan-dia izy. Nivadika tanteraka ny zava-nisy nandritra ny fifandonana. Ilay mpitandro ny filaminana indray no voasambotry ny dahalo, mazava ho azy fa tratran’ny be noho ny vitsy izy. Novonoin’ireo tsy nananany antra ilay lehilahy. Hita ny razana rehefa natao ny fikarohana ary raha araka ny fanazavan’ny zandary dia tokony ho 500 metatra niala ny tanàna antsoina hoe Ambaro no nahitàna azy. Nisy olona noahiahiana avy hatrany ho tompon’antoka mivantana na koa niray tendro tamin’ireo dahalo. Miisa 14 izy ireo no nohadihadiana tao amin’ny biraon’ny zandary ao Betroka. Vao haingana kely no nandefasana “renfort” tany Betroka noho ny fisesin’ny fanafihan-dahalo. Nisy hatramin’ny “couvre-feu” aza tao an-toerana, herinandro vitsivitsy lasa izay, mba hoentina mamerina ny filaminana. Raha oharina amin’ity zava-nitranga ity anefa dia tsy nampihemotra ny dahalo hanao ny asaratsiny indray izany. Isan’andro loatra ankehitriny ny fanafihan-dahalo mitranga eto amin’ny firenena. Mandoro trano, maka takalon’aina, mamono olona (isan’izany ny mpitandro ny filaminana) ary ao anatin’izany koa, mazava loatra, ny halatra omby. Mitaintaina ny olona saingy tsy afa-manoatra. Na izany aza anefa, efa nisy endrika fanehoana hatezerana nitranga ihany tao Ikalamavony tamin’ity herinandro ity. Nivoaka an-dalambe ny vatan-dehilahy an-jatony niaraka tamin’ny basim-borona ary nandeha avy hatrany tany amin’ny tranon’olona iray izay noheverin’izy ireo ho dahalo. Tsy tao io farany dia rava ny hetsika. Endrika iray izany fa efa feno ny kapoakan’ny olona any ambanivolo any manoloana ity famonoana azy ireo sy fangalarana ny fananany ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici