Efa olona telo izay no novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana, saingy izao ingahirainy vao tratran’ny vela-pandriky ny zandary. Tany amin’iny distrikan’i Betroka iny no nitranga ny tantara, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia vao avy namono olona iray mihitsy ranamana no nifampitadiavana. Raha ny zava-nisy tamin’izay : « niaraka nisotro toaka izy mirahalahy. Izy ireo rahateo moa mpinamana hatry ny ela ary vodirindrina iray no itambarana. Rehefa samy mamo anefa ny andaniny sy ny akilany dia nanomboka nisy ny resaka tsy nifakahazo. Niha niakatra ny feo ka tonga hatramin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Tsy nialàna antsy moa tany amin’ity olon-dratsy ity ka avy hatrany dia nolerany tamin’izany zava-maranitra izany ilay mpifanadrina taminy. Voatrobaky ny antsy araka izany teo ambany helik’ilay mpiray vodirindrina taminy. Nandriaka ny rà. Nentina namonjy hôpitaly faran’izay haingana ity naratra raha nitsoaka toy tsy teo kosa ilay namono. Iry voalohany moa dia tsy tana intsony ny ainy, na dia teo aza ny fialàna nenina nataon’ireo mpitsabo. Nanomboka teo no nifampitadiavana ilay mpamono olona. Natao avy hatrany ny fikarohana. Nisy ny loharanom-baovao azon’ny teo anivon’ny zandary fa hita nihaodihaody tsy lavitra ny fokontany Ambararata, ao amin’ny kaominina Nanimora, Betroka ilay zalahy io. Nidina tany an-toerana avy hatrany ireto mpitandro filaminana ka izao niafara tamin’ny fisamborana azy izao. Marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo, fa tafaporitsaka foana ity lehilahy ity, taorian’ny vono olona nataony. Tamin’ity indray mitoraka ity dia efa teo am-piketrahana ny hitsoaka izy, saingy izao voasambotra izao. « Hatolotra ny fampanoavana eto Betroka moa ity tovolahy nahavanon-doza ity , aorinan’ny famotorana hataon’ny Zandarimariam-pirenena aty an-toerana », hoy ny vaovao azo.
m.L