dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Mpikambana dimy amina biraom-pifidianana, notafihan’ny dahalo 10

Betroka : Mpikambana dimy amina biraom-pifidianana, notafihan’ny dahalo 10

Mbola tsy mety milamina hatramin’izao ny any amin’ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy. Ny 17 desambra lasa teo, dia mpikambana dimy amina biraom-pifidianana nitondra fitaovana momba ny fifidianana notafihana dahalo 10 lahy nirongo basim-borona teny an-dàlana raha hihazo ny kaominina Tsaraiso avy any Betroka. Teny am-pandosirana ireo voatafika no niezaka niantso ny laharana maitson’ny zandary. Tonga ireo mpitandro filaminana dimy minitra taorian’ny antso vonjy, ka raha vao nahatazana ny fiara nentin’ireo bebôty ireo malaso dia nandositra tany an’ala. Tsy nisy aina nafoy na naratra ary tsy nisy nahaverezana ihany koa ny fitaovam-pifidianana. Mila mailo hatrany fa tsy mifidy asiana intsony ny olon-dratsy amin’izao.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser