Mpitsabo mpanampy iray no maty tsy tra-drano nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky teo amin’ny lohany, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 9 ora, tany amin’ny CSB Ivohitsoa, kaominina ambanivohitra Ambalasoa, any amin’ny distrikan’i Betroka. Nisy lehilahy iray nahatsikaritra ny asa ratsy ihany koa maty voatifitra raha saika hiaro an’ity infermiera ity. Mody nandona sy niantsoantso vonjy fa mitondra olona marary mafy mila fitsaboana haingana ireo malaso, ka tsy nisalasala nanokatra ny trano Radoko. Nibosesika niditra tao an-trano avy hatrany ireo enin-dahy nirongo basy sy famaky efa niandry azy tao ivelany, ary noteren’ireo olon-dratsy izy hamoaka avy hatrany ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra tao an-trano, avy eo nokapain’ny malaso ny famaky teo amin’ny lohany ka maty tsy tra-drano.
Nidina an-dalambe ireo mpiasan’ny fahasalamana. Manoloana an’ity tranga ity dia nanao hetsika filaharam-be nidina an-dalambe ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra any Betroka afak’ omaly, mba nentina nanairana ny sain’ny tompon’andraikitra, fa tena tandindomin-doza ny ain’izy ireo noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy any an-toerana. Fepetra noraisina ary fa tsy maintsy miantso tompon’andraikitry ny fokontany aloha izay mitondra marary amin’ny alina vao afaka mankany amin’ny mpitsabo mba hisorohana ny tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana hikarohana an’ireo nahavanon-doza, hoy ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa