- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Mpivaro-mandeha nisy namono

Betroka : Mpivaro-mandeha nisy namono

Nitrangana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana indray tany amin’ny Distrikan’i Betroka, Faritra Anosy, ny alin’ny zoma teo. Tovolahy mpivaro-mandeha iray, antsoina hoe : Njato (Lava Betsileo) avy any Imadin’i Kianja, Distrikan’ Ambositra, mila ravinahitra ao Jangany no hita faty nihosin-drà, afak’omaly naraina. Raha ny vaovao voaray, nisy namany naka an’ity tovolahy namoy ny ainy ity tao an-tranony, tokony ho tamin’ny valo ora alina. « Handeha hivoaka kely hisotro toaka izahay fa fety ny andro », hoy ity lehilahy niteny tamin’ny vadin’i Njato. « Tany anefa i Lava dia tsy niverina nody intsony, ka nikoropaka izahay nikaroka azy, nefa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony feno dian-dratra sy vono no hitanay  ». Taorian’ny fahitana ny razana, nanao fanadihadiana lalina avy hatrany mahakasika an’ity vono olona ity ny mpitandro filaminana any an-toerana. Rehefa nokarohina fatratra, voasambotra ilay lehilahy naka an’i Njato tao an-tranony. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka ny zandary, ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha izay mahavalalanina ny maro ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici