- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Nahazo môtô miisa 77 sy drone 7 ny mpitandro...

Betroka : Nahazo môtô miisa 77 sy drone 7 ny mpitandro ny filaminana

Vokatrin’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fanjakana Malagasy sy ireo mpiaramiombon’antoka, dia tonga any  Betroka ireo fitaovana ireo, izay nahitana moto miisa 77 sy drone 7. Izany dia tafiditra ao anatin’ny programan’asa ny filoham-pirenena amin’ny ady amin’ny tsy fahandriampahalemana, ka loharana amin ‘izany ireo faritra mena ary atolotra ho  an’ireo mpitandro ny filaminana.

Mino sy manantena ny vahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka, fa hihena arak’izany ny asan-dahalo sy ny maro hafa. Andrasana ihany koa hoy ireo vahohaka ny hisian’ny  toe-bola mazava na “credit” ho fikojakojana sy fampandehana ireo fitaovana ireo ho antokin’ny fahandriampahalemana maharitra ao amin’ny faritra Betroka iny sy manerana ny nosy. Tsy latsa-danja ihany koa ireo “indemnités” omena an ‘ireo mpitandro ny filaminana izay matetika tara ny fandraisana azy.  Izany rehetra izany, dia tafiditra ao anatin’ny paikady iadiana amin’ny kolikoly.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici