Basy « calibre 22 » miisa roa no nisy nanatitra an-tsitrapo tany amin’ny mpitandro filaminana ny sabotsy lasa teo tao Betroka. Nahomby ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana ho an’ny mponina momba ny fandriampahalemana. Nanao fanentanana ho amin’izany mantsy ny zandary ny herinandron’ny 17 aogositra lasa teo tao amin’ny kaominina Andriry, distrikan’ny Betroka. Tanàna mafana miisa enina no nisitraka ny fanentanana dia Tsaramiakatra, Bepeha, Antsahabe, Ankoraka, Morafeno ary Amboadelaky. Notsindriana nandritra ny hetsika fa miantoboka amin’ny fifampitokisana ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Izany hoe, ny zandary mahatoky ny mponina ary ny mponina koa mahatoky ny zandary. Resy lahatra ny amin’izany ny vahoaka ka izany no natonga azy ireo nanatitra tany amin’ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadina tsy natokana ho azy. Nilaza koa izy ireo fa vonona ny hifanome tanàna amin’ny zandary araka izay vitany ho fanafoanana ny asan-dahalo. Nanaiky ny hanoro ireo heverina ho olon-drasy eo an-tanàna izy ireo. Efa misy anarana tonga any am-pelatanan’ny zandary ary efa manomboka ny fanadihadihana. Nankasitraka ny hetsiky ny zandary sy ny hezaka nataon’ny vahoaka ny dépioté voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo. Naneho fisaorana ny lehiben’ny compagnian’ny zandary sy ny vahoaka entiny izy. Nolazainy ihany koa fa vokatr’io fanentanana io dia misy ny foto-drafitr’asa iarahana manorina amin’ny mponina toy ny sekoly sy hôpitaly ary ny lalana.
Voarisoa Davidson