- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversBetroka : Nidinan'ny SAG tany an-toerana

Betroka : Nidinan’ny SAG tany an-toerana

Raikitra ny fisamborana hatrany anaty akata rehetra any. Nahazo iraka manokana ireo pôlisy misahana ny fisamborana jiolahy mitam-piadiana (Service Anti-Gang) ary nidina tany amin’ny faritra atsimo-atsinanana. Olona valo no voasambotr’ireo ka natolotra ny fampanoavana ao Betroka. Nisy tompon’omby antsoina hoe « Mena » maty novonoin’ny jiolahy. Niainga teo ny raharaha rehetra. Nisy ny fitoriana napetraky ny havan’ny maty teny anivon’ny zandary izay nanokatra fanadihadiana taorian’izay. Tsy nahafa-po ny mpitory anefa ny vokatra ka nahatonga ireo  nametraka fanindroany ny fitoriana, saingy teo anivon’ny pôlisy. Teo amin’izay no nanafarana ireo bemaintin’Antananarivo (fiantso ny SAG noho ny fanamiana mainty hanaovany sy ny saron-tava mainty ampiasaina rehefa miditra an-tsehatra) izay tao anatin’ny folo andro dia nanao ny fisamborana ireo ahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Mena. Tsy nijanona teo Betroka ihany ny fidinan’ireo an-tsehatra fa nihoatra tany an-toeran-kafa, toa an’i Bekily, tany amin’ny tokotanin’ny dahalo. Raha ny fantatra mantsy dia niovaova toerana ireo olona samborina ary sarotra ny fidinana an-tsehatra noho ny fahalalan’ireo loatra ny toerana. Voasambotra ihany anefa ireo tena noahiahiana ary nohadihadian’ny polisy tao an-toerana avy hatrany. Tany amin’iny faritra iny no efa nisian’ny mpitandro ny filaminana novonoin’ny dahalo, dia nateriny teo amin’ny birao ny fatiny. Tany ihany koa no efa nisian’ny iray hafa novonoina dia nalaina ny basiny, saingy naterina teo am-baravaran’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana izany avy eo rehefa nalaina ny balany. Nentin’ireo dahalo nanehoana hevitra izany fa manana basy mahery vaika ihany koa izy ireo ary tsy mila mangalatra izany. Ao amin’ny biraon’ny kaomisaria ao an-toerana indray dia efa ho roa gony ny basy vita gasy azo teny amin’ny jiolahy. Saika manana basy avokoa mantsy ny olona any an-toerana, indrindra ny vatan-dehilahy. Rariny loatra raha nantsoina ireo manam-pahaizana manokana avy aty an-drenivohitra ireto mba hiditra an-tsehatra mba tsy hisian’ny rà mandriaka loatra ao anatin’ny fisamborana…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser