Vono olona mahatsiravina no nitranga tany Betroka, ny faran’ny herinandro teo. Olona roa no namoy ny ainy, raha ny iray hafa niharan’ny famonoana mbola eny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, dia resa-pitiavana no fototr’izao famonoana an-tsitrapo izao, niseho ny alatsinain’ny paka, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany hariva tany ho any. Nangiloilo menan’ny rà ny tanana iray tany amin’ity faritra ity. Niaraka tamina vehivavy iray ity rangahy ity. Taty aoriana anefa dia nisarahany izy ka niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa indray izy. Teo no niatomboka ny raharaha, satria dia lasa mpinamana be tsy nisy toa izany ireto mpirafivavy ireto. Tsy nahatanty izany fisiana rohy teo amin’izy roa vavy izay samy niaraka taminy ralehilahy, ka nanapa-kevitra ny hanao ny tsy fanao. Asa raha dia inona loatra no tonga tao an-tsainy tamin’io fotoana io fa, tapitra novonoiny avokoa ireto roa vavy, nony hitany niaraka. Namoy ny ainy vokatry ny vono natao azy ilay vadiny voalohany, raha naratra mafy kosa ilay vadiny faharoa. Tezitra noho izany fihetsika tsy am-piheverana izany ny fianakaviam-badiny voalohany ka nanapa-kevitra ny hamaly faty, sy namono nahafaty ity rangahy nahavanon-doza ity. Vokany, roa maty, iray naratra, ary efa eny an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
m.L