Tsy mbola milamina ny any Betroka hatramin’izao ary manjaka tokana ny malaso. Tamin’ity herinandro ity dia olona enina no maty voatifitra, ka tompon’omby ny iray. Mpivady roa kosa no naratra mafy voan’ ny bala, afak’omaly. Ramatoa tapa-tanana, rangahy nipotsaka tsinay, hoy ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Ny alarobia teo tany Soanala dia mpanangom-bokatra iray norobain’ny dahalo. Lasa ny vola sy ny fanaka sarobidy isan-karazany. Tamin’ io andro io ihany , saingy tany Anjotsy dia dahalo an-jatony nirongo basy sy lefona no niditra an-keriny tao tanàna.
Manitrisa