- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Omby 200 lasan’ny dahalo, malaso iray maty voatifitra

Betroka : Omby 200 lasan’ny dahalo, malaso iray maty voatifitra

Saika isan-kerinandro mba tsy hilazana hoe : isan’andro dia andrenesam-baovao momba ny fanafihan-dahalo sy halatr’omby foana any amin’ny distrikan’i Betroka , faritra Anosy. Ny maraim-ben’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, ka dahalo enin-dahy nirongo basy mahery vaika no nangalatra omby  200, tao Ambalasoa 15 km tsy hiditra ny renivohitry ny distrika. Rehefa dify ny tanàna ireo malaso niaraka tamin’ny omby avy nangalariny, dia nampandrenesina haingana ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fanarahan-dia natao, dia dahalo iray no maty voatifitry ny Zandary, ary tafatsoaka niaraka tamin’ny omby rehetra kosa ny namany dimy lahy. Mbola mitohy ny fikarohana an’ireo mpandroba mandrak’ ankehitriny, raha ny tati-baovao azo farany. Noho ny firongatry ny asa ratsy amin’ny lalam-pirenena faha-13 iny, indrindra eo anelanelan’ Ankilivaho hatrany Betroka, dia tsy maintsy mitondra Zandary avokoa ny taksiborosy rehetra mandalo amin’ny RN 10.

Faritra Androy

Mirongatra ny andiam-balala mamotika voly

Mirongatra ankehitriny ny andiam-balala mamotika voly any amin’ny faritra Androy, ka mitondra faisana amin’izay ny distrikan’i Tsihombe, Beloha ary Ambovombe. Ringana avokoa ny voly: vary, katsaka, mangahazo, sns, lalovan’ity andiam-balala ity, hoy ny tati-baovao voaray. Raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra haingana amin’ny famonoana an’ireto andiam-balala mamba noana mandravarava ireto, dia ahiana indray hisian’ny kere handripaka ain’olona maro. Raha velom-bolo tamin’ny filatsahan’ny orana nanamaitso ny voly ny mponina any an-toerana, taorian’ireny hain-tany lavareny ireny, dia kivy tanteraka amin’izao fotoana izao noho ny fisian’ireto andiam-balala mamotika ny fananany ireto.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici