Omby nahatratra 329 isa tany ho any ho azo teo am-pelan-tanan’ireo dahalo, omaly nandritry ny famakiana ny kizon’i Soahazo, ao amin’ny kaominina Ivahona distrika Betroka, nataon’ny zandary. Dahalo dimy kosa no maty nandritry ny fifandonana mahery vaika tamin’izany.
Efa an-taonany maro no noezahina novakiana ity toerana fiheren’ny dahalo sy fanafenana omby halatra ity any amin’iny distrikan’i Betroka ity saingy miveri-maina avokoa ireo mpitandro filaminana, rehefa tratry ny fandrik’ireo olon-dratsy noho ny tsy fahafantarana lalana mankao an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, rehefa nahazo loharanom-baovao mahakasika ny lalana mety ahafahana maka ity toerana ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovana Betroka dia nidina avy hatrany tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika fampandriana fahalemana ireo faritra mena amin’ny halatr’omby rahateo moa izany. Vao tazan’ireo andian-dahalo lavitra fotsiny anefa ireto zandary ireto dia nanao tifitra variraraka avy hatrany izy ireo. Raikitra teo ny fifandonana sy ny fifampitifirana. Tsy nahaleo tosika ireto mahery fon’ny firenena ireto anefa ireo andian-dahalo tratry ny tampoka ka nisy dimy tamin’izy ireo no lavo. Nitsoaka kosa ireo namany sasany. Hany ka mora foana no nifehezana ity kizo malaza ho tsy mety vaky ity. Omby an-jatony ireo moa no azo tao an-toerana ary nentina niakatra nihazo an’i Betroka sy nampidirina « fourriere ». Omaly ihany dia efa nezahina nantsoina ireo olona very omby ary nasaina nijery izany tamin’ireo omby vao azo teny am-pelan-tanan’ny dahalo izany. Fantatra ary fa nisy omby 50 hatreto no nambaran’ny tompony fa omby very, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana hatrany. Inoana fa mbola ho maro ireo ho tonga hamantatra ny ombiny aoriana kely ao. Marihana fa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana, indrindra fa ireo zandary any amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny amin’ny famerenena tsikelikely ny fandriampahalemana amin’ny resaka asan-dahalo. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny hoe nisy tananan-dahalo vitsivitsy amin’izao, any an-toerana vonon-kiara-hiasa amin’izy ireo. Efa namerina ny basy sy fitaovam-piadiana maro fampiasany amin’ny asa ratsy rahateo moa izy ireo. Ary mbola mitohy izany hatreto …
m.L