Dahalo enimpolo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny an-tamponin’ny tanànan’ Ikelivaona, 45 kilometatra avaratr’i Betroka. Lasibatr’ireo dahalo tamin’izany ny tranon’ny lefitry ny PDS. Nilefa ny lefitry ny PDS raha vao nahita ireo dahalo, ka tamin’izany no nahafetesana olona roa tao an-tranony, dia ny vadin’ny tompon-trano sy zanany vavy kely 10 taona, sy iray hafa naratra mafy izay efa nalefa notsaboina any Ihosy, ary omby 27 no nentin’ny dahalo. Tamin’ny fifandonana, dia dahalo iray no lavon’ny balan’ny zandary. Marihina fa disadisam-piaraha-monina no anton’izao fanafihana izao. Tamin’ny fanadihadihana nataon’ny zandary dia fantatra ilay atidoha nanatontosa izao asan-jiolahy izao ary mandeha ny fikarohana. Etsy an-daniny ihany, dia tratran’ny zandary ao Ibitsoka ny rongony 400 kilao.
Anastase