Mitohy hatrany ny ady ataon’ireo zandary amin’ny resaka zava-mahadomelina any amin’iny faritra Betroka iny. Omaly, rongony 14 gony mahery izay milanja eo amin’ny 300 kilao teo ho eo no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Betroka. Olona enina no nosamborina tao anatin’izay.
Ankoatra ny resaka asan-dahalo, dia anisan’ny malaza ratsy amin’ny resaka rongony raha iny distrikan’i Betroka iny. Asa mafy araka izany no miandry ireo mpitandro filaminana any an-toerana, saingy hatreto aloha dia saika ahitam-bokany avokoa ny ezaka ataon’izy ireo hiadiana amin’ireo asa ratsy ireo. Omaly maraina dia mpanondrana rongony miisa enina no voasambotry ny zandary, rehefa nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo izy ireo. Nisy dimy lahy hafa kosa tafaporitsaka saingy namela ireo rongony amina gony maromaro teo. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana dia tranga roa samihafa no niantsoana azy ireo omaly. Ny voalohany, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Nandritra ny fisafoana mahazatra nataon’izy ireo no nahatsikaritra dimy lahy mampiahiahy nilanja entana izy ireo teny amin’ny lalam-pirenena faha-13, mizotra mankany Andakana. Vao nahatazana ny fiaran’ny zandary anefa ireto olona ireto dia nirifatra nitsoaka namela ireo entany teo. Rehefa nosavaina ireo dia hita fa fatorana rongony marobe. Nentina tany amin’ny toby avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto. Tany indray anefa dia nisy antso azo fa misy olona miomana hitondra rongony ao amin’ny tanana antsoina hoe Mahatalaky, kaominina Betroka. Nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo ka tra-tehaka tao ny olona enina teo am-panomanana « entana ». Nosavaina avy hatrany moa izany ka hita fa fatorana rongony marobe ihany koa. Ambonin’izany dia mbola nahitàna ody gasy maromaro niaraka tamina basy poleta vita gasy iray tao amin’io trano io. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ireto olona ireto, nanaovana famotorana, niaraka tamin’ireo « entana » sarona. Rehefa nolanjaina ireo rongony rehetra sarona ireo dia io nahatratra aman-jatony kilao io. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ireo zandary amin’izao ary an-dalam-pikarohana ireo olona nitsoaka.
m.L