- Publicité -
lundi, janvier 12, 2026
AccueilFaits-DiversBetroka : Rongony efa telo taonina mahery nodorana

Betroka : Rongony efa telo taonina mahery nodorana

Milanja 3117 kilao na telo taonina mahery nodorana navadika lavenona omaly teny amin’ny garan-dropilanina tao Betroka. Ezaka nifarimbonan’ny mpitandron’ny filaminana tany antoerana nandritra ny taona 2025 no nahafahana nahazo ireo vokatra ireo. 432 kilao no vokatra avy tamin’ny Polisim-pirenena , raha 2 685 kilao kosa ho an’ny Zandarimariam-pirenena. Notanterahina ny marainan’ny zoma, tao amin’ny fokontany Mahatalaky, Kaominina Betroka, ny fandoroana rongony milanja 3 taonina sy 130 kilao. Ireo zava-mahadomelina ireo dia vokatry ny fanagiazana natao teo anelanelan’ny volana Jolay 2025 sy Desambra 2025, izay efa samy nanaovana tatitra ofisialy avokoa tamin’ny fotoana nahatratrarana izany, hoy ny fanazavana avy amin’ny polisy. Baiko avy amin’ny fitsaràna no nahafahana nandoro ireto rongony ireto. Olona fito no naiditra am-ponja vonjimaka, tompon’antoka amin’izao trafika izao. Nisy ihany koa ireo tratran’ny Zandarimaria avy ao Betroka tamin’ireo zava-mahadomelina ireo. Nanatrika ity fandorana ity ny mpikambana avy ao amin’ny OMC ao Betroka notarihin’ny lehiben’ny Distrika. « Marihina fa ity fandoroana zava-mahadomelina ity dia natao tao anatin’ny fanarahan-dalana tanteraka ary teo imason’ireo mpikambana ao amin’ny OMC Betroka sy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Betroka », hoh hatrany ny fanazavana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici