Norarafan’ny mpanakan-dàlana bala ny fiara fitateram-bahoaka. Efa mba nanaraka ny lamina napetraka izy ireo, dia ny fiarahana fiara maromaro manao « caravane » rehefa mandeha amin’ny alina. Tsy nampihemotra ny dahalo mpanakan-dàla izany tamin’ity indray mitoraka ity. Teo Managnovy, toerana iray izay eo anelanelan’i Betroka sy Soanala no nitranga ny fanafihana, ny alin’ny alakamisy efa manakaiky ny misasakalina. Vatan-kazo maromaro no indray nanapaka ny làlana. Vao nahita izany ny mpamily, dia efa nahafantatra avokoa fa fanafihana no hitranga. Nisy ny niezaka ny niverina, ny tifitra nataon’ny dahalo amin’io niraradraraka. Ny hany azon’ny olona natao, dia ny niondrika mba tsy ho voan’ny bala ny loha. Avy tany amin’ny 60 metatra teo amin’ny manodidina no nitifitra ny olon-dratsy ary nihananaiky ihany. Nisy ny fiara izay mba tafaverina ary nisy kosa ny avoavo ka tsy nanan-tsafidy ankoatra ny nandona ny sakan-dàlana ary nanohy ny làlany, toy ny karandaly iray. Mba avotra soa aman-tsara avokoa ny mpandeha tao anatiny na potipotiky ny bala aza ny fitaratra sy ny vatan’ny fiara. Nisy tamin’ireo fiara no voatafika rehefa sady tsy tafaverina no tsy afaka nandroso noho ny fikoropahana. Raha ny fantatra, dia mbola ny alin’iny koa no nisy tanàna iray izay manodidina an’i Tsihombe, nodoran’ireo malaso tanteraka rehefa avy notafihany. Mora tantaraina ny zava-nitranga, hoy ny mpandeha iray. « Ny niainana izany feom-basy sy bala mitefoka amin’ny fiara izany, dia efa tena hoe androany no farany. Fa mbola tsy anjara aloha » hoy ny vavolombelona iray. Dia anatin’ny horohoro toy izany koa izany no iainana rehefa mandeha fiara fitateram-bahoaka, indrindra amin’izao faramparan’ny taona izao; izay tena mitady vola ny jiolahy.
D.R