- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Taksibrosy voatafika, olona roa maty voatifitra

Betroka : Taksibrosy voatafika, olona roa maty voatifitra

Fiara taksiborosy iray Mazda, mpitatitra mampitohy an’i Betroka sy Beraketa , no notafihana valolahy nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa, afak’ omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany, 11 kilometatra tsy hiditra ny tanànan’i Beraketa (atsimon’ny kaominina Soanala Betroka). Patiraon’omby roa saika handeha hividy omby ao amin’ny tsenan’i Beraketa no maty tsy tra-drano lavon’ny balan’ireo malaso. Dimy hafa kosa naratra mafy ; izay mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao, ka anisan’izany ny mpamilin’ity fiara ity voatifitra teo amin’ny tratrany ary mbola manaraka fitsaboana ao Betroka, raha ny vaovao voaray. Niverina indray ny fanafihana fiara amin’ny làlam-pirenena faha-13 iny, raha mbola mandry andriran’antsy ny vahoaka, noho ny asan-dahalo mahazo laka any amin’ny distrikan’i Betroka sy ny manodidina.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser