Nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’Ihosy sy Fort-Dauphin iny ny alakamisy lasa teo. Taxi-brousse iray, mampitohy an’i Betroka sy Isoanala no lasan’ny rano teo amin’ny tanana antsoina hoe Benelo, ao amin’ny kaominina Ianambinda, distrikan’i Betroka. Vokany, olona efatra no mbola tsy hita popoka, ka ny roa amin’ireo no ankizy.
Isan’ny mahatonga ny loza tokoa matetika ireny karazana rano mandeha manapaka ny arabe ireny, na ilay fantatry ny maro amin’ny hoe ranon-trambo. Mahery loatra mantsy ny fandehany ary maro ireo fako sy fotaka sarihany, hany ka na zavatra mavesatra toy ny fiara aza dia zakany tokoa. Toy ity loza nitranga tany Betroka ity. Ambonin’ny fanafihan-dahalo, ny lalana efa ratsy mantsy amin’iny lalam-pirenena faha-13 iny dia manampy trotraka ny fisian’ity ranon-trambo ity, izay tsy ampoizina velively ny fahatongavany. Tamin’io fotoana io ary, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any no niditra teo amin’ny « radier » iray teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io, ity fiara mpitatitra mitondra ny marika « Mazda » avy ao amin’ny kaoperativa Besady ity. Tsy nanampo ny fiavian’izany ranon-trambo izany velively ny mpamily ka dia voafandrika tao anatin’ity rano be mahery fanonja. Zakan’izany rano izany mihitsy moa ilay fiara, niaraka tamin’ireo entana sy ny olona tao anatiny. Nivadibadika ary difotry ny rano avy eo. Saika avotra sy afaka namonjy sisin-drano avokoa ireo mpandeha sasantsany saingy mbola nisy tamin’izy ireo no tsy hita popoka. Efa tonga teny an-toerana avokoa moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, niaraka tamin’ny fokonolona niezaka namonjy ireo olona tra-doza. Saingy araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary tany an-toerana, izay tonga malaky namonjy teny an-toerana, dia somary manahirana ny famonjena noho ny fiakaran’ny rano sy ny herin’izany rano izany. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana.
m.L