Habiabiana tanteraka. Izay no azo ilazana ity tranga mampihoronkoditra niseho tany amin’ny distrikan’i Betroka iny ny alin’ny alahady lasa teo. Vaviantitra iray no hita faty tao an-tranony : tapaka ny tendany, norasaina ny kibony ary noloarana avy tao ny fony, ny tsinainy ary ny atiny ka naparitaka eran’ny trano. Tokony ho 80 taona teo ho eo ity ramatoabe ity, araka ny vaovao tany an-toerana ary miara-mipetraka amin’ny zafikeliny, tovolahy 25 taona. Tamin’io fotoana io, taitra avokoa ireo fianakaviana teo amin’ny manodidina raha nahare feo nigiaka sy niantso vonjy avy tao amin’ny tranon’izy mianaka. Samy niolomay namonjy tao amin’ilay trano avokoa ny rehetra saingy nihidy mafy ny varavarana. Raha ny fantatra mantsy dia mandray zava-mahadomelina ilay tovolahy ka samy nanahy zava-dratsy avokoa ny rehetra. Nataon’izy ireo fotsiny izay hidirana am-boletra tao amin’ilay trano. Zavatra mampihoron-koditra tanteraka anefa no hitan’izy ireo. Ilay tovolahy eo am-pitetehana sy eo am-pandrasana ilay ramatoabe, efa vatana mangatsiaka sy milomano tanteraka anaty rà mandriaka. Sanatria, toy ireny mamono omby ireny ny nanaovan’ity tovolahy ilay vaviantitra. Rehefa avy notapahany ny tendany dia naborany ny tsinainy. Ary izy mbola eo am-pandoarana ny fony sy ny taovany hafa ary nanaparitaka izany eran’ny trano no hitan’ny rehetra. Ankona ny rehetra. Niezaka nisakana izany ireo fianakaviana nahita ity zava-doza ity, ary avy hatrany dia nisambotra sy nitazona ity zafikely nahavanon-doza. Saingy tafaporitsika ity farany, raha ny vaovao. Eo am-pikarohana ity tovolahy ity avokoa ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana amin’izao.
m.L