Andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika 30 teo ho eo no nanafika tao amin’ny fokontany Mahazoarivo ao an-tampon-tanànan’i Betroka, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny folo ora, ka lasan’ny malaso tamin’izany ny omby miisa 200. Trano maromaro ihany koa no kila forehitra nodoran’ireo dahalo, ary vehivavy bevohoka iray may tsy afa-nanavotra aina intsony. Talohan’ny nidiran’ireo malaso ny tanàna dia nanao tifi-danitra ireo mpandroba nentina nampihorohorona ny olona. Noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny teo an-tanàna, ka niliba ireo malaso namoaka ny omby tao anaty valabe. Nojerem-potsiny. Efa dify lavitra ny tanàna ireo olon-dratsy vao tonga ny mpitandro filaminana. Ireto farany izay efa nampandrenesin’ny olona teo an-tanàna mialoha mahakasika ny fanafihana misy. Nampalahelo ny vahoaka izany fihetsika izany. Raha araka ny vaovao voaray, dia ny fokonolona samirery ihany no nanao ny fanarahan-dia, ary tsy nisy tamingana beboaty nanampy azy ireo. Ary hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra dia tsy mbola nisy latsaka ny omby very rehetra. Raha ny fantatra dia niatsinana nihazo nankany amin’ny vohitr’ Anjiry ireo dahalo sy ny omby, ary araka ny feo mandeha dia tsy misy fanantenana intsony izay omby tafiditra amin’io vohitra io.
Eric Manitrisa