Mitohy hatrany ny fangalana olona an-keriny. Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any, vehivavy roa sy zaza roa no nisy naka an-keriny tamin’izany. Tao amin’ny fokontany Ambatolahy, làlana 20 kilaometatra tsy hidirana ao Mahabo, ditrikan’i Betroka no nitrangan’izany. Marihina fa vehivavy avokoa ireto olona nisy naka an-keriny ireto. Taorian’ny zava-nitranga, nahazo antso fanairana avy amin’ny « poste avancée » ao Mahabo avy hatrany ny USAD na ny sampana manokana miandraikitra ny famongorana ny asan-dahalo any an-toerana. Ireto farany dia nandefa zandary 15 izay notarihin’ny lehiben’izy ireo mba handray an-tànana ny toe-draharaha. Nampian’ny zandary avy amin’ny PA Mahabo ihany koa izy ireo tamin’ny asa fikarohana ny toerana mety ahitana ireo mpaka an-keriny sy ireo zaza amam-behivavy nafenina. Noho ny ezaka mendri-piderana nasehon’ireto zandary ireto dia hita tao amin’ny toerana atao hoe Amboatavo, manakaiky an’Ambatolahy, ireto olona efatra nisy naka an-keriny ireto. Tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fianakaviany avy izy ireo ankehitriny.Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’ny fitadiavana azy ireo satria tsy nisy ny fifandonana noho ny tsy mbola nahitana ireo nahavanon-doza. Mbola mitohy kosa anefa ny fikarohana azy ireo. Ny « poste avancée » ao Mahabo no manao ny famotorana ireo vehivavy roa mba ho fanampiana ahitana ny marina mahakasika izao raharaha izao.
Niony H.