Taorian’ny tany Maevatanana dia fantatra izao fa zandary iray hafa ihany koa no namoy ny ainy, omaly vao maraina nandritra ny fifanandrinan’ny dahalo sy ny zandary tany Betroka. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa dia fantatra fa nisy dahalo efatra matin’ireo zandary. “Namoy ny ainy tamin’ny 1 ora marainan’ny 13 oktobra 2017 ny G2C Ralaivao Réné Germain avy ao amin’ny Borigady Betroka tamin’ny fifanatrehana tamin’ny dahalo ny 12 oktobra 2017 tolakandro tany Voromiantsa, Distrika Betroka . Niisa efatra kosa no tsy afaka nanohy ny asa-ratsiny intsony ireo dahalo ary tafaverina amin’ny tompony manontolo ny omby nangalarina“, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Raha ny zava-nitranga dia niantso ny zandary vao maraina ny mponin’ny kaominina ambanivohitra Ivahona noho ny fisian’ny dahalo 40 nanafika azy ireo sy nangalatra omby. Nihazo ny toerana haingana noho izany ny komandin’ny kaompania sy ny lefiny niaraka tamin’ny zandary miisa 15. Raikitra ny fanarahan-dia ka teny an-dalana dia nisy efatra tamin’ireo dahalo nitoraka lefona tampoka io zandary io izay voa teo amin’ny ranjony havia. Tazan’ny zandary namany izany ka avy hatrany dia nitifitra izy ireo ary lavo ny telo tamin’ireo dahalo. Mbola nitifitra ihany anefa ny iray tamin’ireo dahalo ireo ka mbola nahavoa indray koa ny tongotr’io naratra io. Raikitra ny fifandonana ka lavo ihany koa io dahalo fahefatra io. Nanao ny fiantsoana ny angindim-by avy any amin’ny « BIA IHOSY » ny komandin’ny groupement Anosy ary nandefa « renfort » ihany koa ny avy tao amin’ny « USAD MAHABO » izay notarihin’ny kolonely Nixor, komandin’ny FIGN. Nentin’ny angidim-by namonjy ny hopitalin’i Betroka ilay zandary naratra ka tody tany tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Tanora vao herotrerony, 28 taona io zandary namoy aina io ary namela mananontena sy kamboty iray vavy kely vao herin-taona monja.
m.l