- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFaran’ny taona : Betsaka ny vaky trano

Faran’ny taona : Betsaka ny vaky trano

Vao nanomboka ny taona dia betsaka ny latsaka tao anaty fahakiviana sahady noho ny nafitsoky ny olon-dratsy. Isan’izany ny tokantrano iray tetsy Ambohimangakely izay raha tsy tao ny mponina tao aminy fa namonjy fety tany ivelany, ny jiolahy no nanjaka tokana tao. Ary tena efa fantatr’ireo olon-dratsy izay nokendreny sy ny toerana misy izany raha ny fiheverana ity fandrobàna ity : lasa ny scooter tsara tarehy izay miisa telo. Izany anefa dia efa nampidirina anaty trano, izany hoe efa tena mailo ny tompony. Kanefa dia mbola vitan’ireo olon-dratsy ihany ny naka izany nandritry ny alin’ny faran’ny taona. Tetsy Ambohitsoa indray, tokantrano roa no indray nasesin’ny olon-dratsy. Io indray dia amin’ny andro atoandrobe nanahary no tonga ny olon-dratsy. Tsy tao ny tompon-trano fa namonjy fivoriam-pianakaviana ary teo indrindra no nanararaotan’ireo nanatontosa ny fandrobàna. Nanara-po ireo jiolahy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : ahoana ny fomba namantatan’ireo olon-dratsy ny tsy maha-eo ny tompon’ireo trano ka nahafahan’ireo namaritra ny fotoana nanaovana ny famakiana ny trano ? Toa efa mailo daholo ihany mantsy ny tsirairay ka efa samy manafinanina ny fandaharam-potoanany. Kanefa dia mbola hain’ireo jiolahy ihany ny fotoana tsy maha-eo ny olona. Midika izany fa misy mpitsikilo tsy ampoizina eny anivon’ny fiaraha-monina eny ary ireny no mikarama manome vaovao ny jiolahy. Paikadin’ny olon-dratsy efa hatry ny ela ihany izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici