- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Ahiana hiteraka hatezeram-bahoaka ny asan-dahalo

Betsiboka : Ahiana hiteraka hatezeram-bahoaka ny asan-dahalo

Raha somary tony ny halatra omby, aty amin’ny faritra Betsiboka tao anatin’ny tapa-bolana teo ho eo dia nirongatra ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Saika azo sokajina ho faritra mena avokoa ny any ambanivohitra sy ny eto Maevatanàna tampon-tanàna. Manoloana izany dia mitaraina avokoa ny vahoaka, satria tsy andro tsy alina no manafika ny dahalo. Ny tranga farany teo dia ny tampim-baravarana nataon’ny dahalo tao amin’ny fokontan’Ambanjabe, kaominin’ Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, tamin’ny 17 septambra lasa teo. Araka ny loharanom-baovao any an-toerana dia dahalo manodidina roapolo lahy, nitondra “ Kalackchnikov roa” no nanafika io tanàna io, nandritra  ny teloplo minitra. Ny tena nahagaga dia tsy nokitihan’ireo malaso ny omby tao am-bala, fa ny akoho miisa efapolo teo an-tanàna no very nalain’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao etsy ambony dia tsy tonga namaly ny antso, rehefa nampandrenesin’ny fokonlona, ny zandary tao Ambalajanakomby, tamin’io fotoana nitrangan’ny fanafihana io. Nahazom-baovao fa nanohitra ny malaso ihany ny vatan-dehilahy, taorian’ny hazolava ( antsoantso nanentanana ny lehilahy matanjaka hivoaka ny tranony), saingy tsy afa-nanao afa-tsy nifampitazana tamin’ny dahalo fotsiny noho ny fiadiana eo am-pelatanana tsy nitovy. Araka ny loharanom-baovao etsy ambony ihany dia nifampitazana nandritra ny roapolo minitra teo ho eo ny dahalo sy ireo vatan-dehilahy matanjaka manodidina valopolo lahy eo ho eo, saingy tsy nahasahy ny fokonolona, mba hialàna amin’ny fatiolona sy ny rà mandriaka. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ahiana hiteraka fitsaram-bahoaka ny zava-misy ato amin’ny faritra Betsiboka. Tamin’io tranga voalaza eo ambony io mantsy dia niverim-potsiny tao anatin’ny hatezerana ny mpanara-dia.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici