- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBETSIBOKA : Ambatofotsy Avaratra : Simba tanteraka ny lalana, mitaraina ny mponina

BETSIBOKA : Ambatofotsy Avaratra : Simba tanteraka ny lalana, mitaraina ny mponina

Tsy misy hojerena intsony ny lalana eny Ambatofotsy fa tena simba tanteraka. Feno lavaka sady nihotsaka ihany koa. Tsy azon’ny fiara ivezivezena intsony noho ny fahasimbana ny lalana. Mihafy ihany koa ireo mpandeha an-togotra izay mandeha isan’andro, satria rehefa avy ny orana dia tsy hita intsony izay haleha fa dibo-drano ny arabe noho ny fisian’ireo lavaka sy fihotsahan’ny tany. Mbola tsy misy mpijery ity lalana ity kanefa manomboka mitaraina ny mponina. Raha ny filazan’ireo olona mipetraka eny an-toerana, dia efa ela no tsy misy manamboatra io lalana io, ka izay no mahasimba be azy. Ankoatra ny eny Ambatofotsy, dia lalana maro eto Maevatanàna an-tampon-tanàna no mila amboarina ary efa ela no mitaraina amin’izany mpampiasa lalana rehetra. Maika amin’ny fanarenana ny lalana potika ny mponina eto Maevatanàna. Mihazohazo hatrany anefa ny fitondram-panjakana eto an-toerana amin’ny fanatanterahana izany. Tsy misy manana fanazavana amin’ny fotoana hanamboaran-dalana hatrany izy ireo hatreto.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici