- Publicité -
mardi, décembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversBETSIBOKA : CRFRP Maevatanana : Nivoaka talin’ny fomba ofisialy ireo mpampianatra miisa 137

BETSIBOKA : CRFRP Maevatanana : Nivoaka talin’ny fomba ofisialy ireo mpampianatra miisa 137

Ny Atalata faha 23 Desambra taona 2025 teo, tokony tamin’ny 02 ora tolakandro no namoahana tamin’ny fomba Ofisialy ireo mpiofana ho mpampianatra niisa 137 tao amin’ny  » CRFRP na: Centre Régional de Formation et de Recherche Pédagogique Maevatanàna  » izay misalotra ny anarana hoe:  »  Vonona andiany fahefatra.  » Nisy hatrany ny fanomezana maripakasitrahana ho mariky ny fahavitana ny fiofanana, hoan’ireo mpampianatra ambaratonga voalohany. Tao amin’ny efitrano malalakin’ny Kats-em no nanatanterahana izany. Nanokatra izany tamin’ny fomba Ofisialy ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tany amin’ny disitrikan’i Kandreho ,izay notronon’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, lehiben’ny ivon-toeram-piofanana  Rezionaly sy fikarohana ara-pedagojia, solotenan’ny INFP. Nisolotena ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ny Tale misahana ny fampianarana tsy maintsy lalovana ( DEO.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici