- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Fanafihan-dahalo, olona roa no naratra

Betsiboka : Fanafihan-dahalo, olona roa no naratra

Ny alarobia 05 febroary teo tamin’ny misasak’alina no nanatontosan’ireto dahalo miisa 5 ny asa ratsiny. 8 ny omby notetehana halaina tamin’izany. Tao amin’ny fokontany Morafeno anefa dia haingana sy maty paika ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny zandary tany an-toerana.

Vokatry ny fifandonana dia olon-tsotra roa no naratra, noho ny vely kibay, ary ireo dahalo kosa tafaporitsaka nitsoaka noho ny fanoherana mahery vaika nahazo azy. Tsy nisy kosa ny omby very sy ny fahaverezam-panana. Efa mandeha moa ny fanadihadiana eny an-toerana amin’izao fotoana izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser