Efa manomana paik’ady hentina hisorohana ny tsifandriampahalemana, mialoha, mandritra ny fankalazana ny fetin’ny « paska » ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka. Ohatra amin’izany ny fiambenana amin’ny alina, mandritra ny dimy andro. Hametrahana andiana Zandary eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ; izay ivezivezen’ny fiara. Nandraisana fepetra manokana ihany koa ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ho hentitra ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fampanajana ny fitsipika rehetra sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana. « Zandary maherin’ny 150 no hahetsika ato anatin’ny Faritra Betsiboka, ary fiara tsy mataho-dalana telo sy miampy môtô enina no hampiasaina mandritra izany. Hiandreketan’ny Zandary hatramin’ny fanaraha-maso an’ireo toeram-pitsangantsanganana mahavory olona ny toeram-pilanonana, mandritra ny alahady sy ny alatsinainy paska, » araka nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarmaria eto Betsiboka, ny Lietinà-kolonely Ratovonandrasana Veloson Julien. Izay vao avy nandray ny asany amin’ny maha- lehiben’ny Zandary vaovao azy, hatramin’ny tapa-bolana lasa izay.
Ratantely