Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanora ! Tsy ambaka amin’izany raha ny ao an-drenivohitry ny faritra Betsiboka ao. Tanora maromaro nahatsapa fa distrika iray tokony ho fitaratra amin’ny resaka fampandroasona raha i Maevatanàna, kanefa tsy izany velively no hitan’izy ireo. Tsy fandriampahalemana, olana ara-tsosialy, adilahy politika : ireo no anisan’ny vato misakana ny fampandrosoana ao amin’ity distrika mamin’izy ireo ity. Izay zavatra izay indrindra no antony nanosika ireto fikambanana tanora maromaro ireto hivondrona ho anaty vovonona iray nampitondraina ny anarana hoe « Maevatanana Mampiray ». Araka ny nambaran’izy ireo nandritry ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantatra ny fisian’izany, dia fikambanana isan-kararazany no mivondrona ao : misy ireo olon-tsotra te hampandroso, misy ireo maintimolaly, ireo tanora avaram-pianarana, ireo vato nasondrotry ny tany ary ireo rehetra nahita soa tao Maevatanana, na tompon-tany na mpiavy. « Hanao pôlitika izahay saingy tsy pôlitika pôlitisianina akory fa pôlitika mampandroso. Noho izany, tsy hisy akory olona ho atolotra ho an’ireo fanendrena na fifidianana izay misy » hoy izy ireo. Saingy kosa, tetika hafa no entin’izy ireo ho amin’izany drafitra fampandrosoana izany. Fanoloran-kevitra ! « Hamolavola hevitra izahay ho entina hampandroso ity tanana ity ary hatolotra ho an’ireo olona manam-pahefana sy mpitondra. Tsy hanavahana loko pôlitika io na inona na inona fa ny hangatahanay manokana ny mba handraisan’ireo omena azy izany hevitra atolotray izany ». Raha ny nambaran’izy ireo moa dia miainga hatrany ifotony izany hevitra atolotr’izy ireo izany. Izany hoe ireo hetahetan’ny olona mihitsy. Ary amin’ny alalan’ny fakan-kevitra faobe no handrafetana ilay hevitra drafitra fampandrosoana. Efa notantaterahana moa io fakan-kevitra faobe io ny faramparan’ny volana aprily lasa teo, ary mbola mieritreritra ny hanantanteraka hafa indray izy ireo. Marihana fa miompana amin’ny lafin-javatra telo ny hevitra atolotr’izy ireo : ny sosialy, ny fandriampahalemana ary ny pôlitika.
Nangonin’i m.L