- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Oloona 11 maty navadiky ny lakana

Betsiboka : Oloona 11 maty navadiky ny lakana

Tafakatra  iraika ambin’ ny folo ny maty tamin’ ireo mpandeha valo amby roapolo navadiky ny lakana tany amin’ny reniraon’i Betsiboaka any amin’ny faritry Maevatanana. Ny vaovao voaray no nahalalana fa ranotrambo no  nampivadika ity lakana. Handeha hamonjy fodiana ireo olona marobe ireo.  Amin’izay fotoana izay, tsy maintsy mandeha lakana ry zareo rehefa hody. Noho ny orana anefa, niakatra ny rano ary mahery vaika ny rano. Ny sabotsy 01 febroary  teo dia olana iray no hita maso fa maty. Nitombo hatrany anefa izany tao aorian’ ny fikarohana ka izao tafakatra ampolony izao. Mahery dia mahery tokoa ny rano amin’ izao fotoanan’ ny fahavaratra izao, ka mila fitandremana  miakatra be mantsy ny rano ary tena  mifaoka izay sendra  azy tokoa .

Dimy ireo mpanamory  tao antin’ ity lakana ity sady ihany koa  efa za-draharaha. Tratry ny patsa iray tsy omby vava dia tsy nisy  azo atao. Vaovao marim-pototra ihany koa no nahafantarana fa mpiavy avy any Vakinankaratra  ny ankamaroan’ ireto  namoy ny ainy ireto ary karazan’ ireo mpanao vato .

Ilana fitandremana tokoa raha itony karazana asa itony, satria dia tebiteby lava izao no iainana ary ao anatin’ny indray mipi-maso monja dia mety hafoy hatramin’ ny aina.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser