- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBetsinjaka Toliara II : Mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanàna ny mpiasan’ny Kaominina...

Betsinjaka Toliara II : Mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanàna ny mpiasan’ny Kaominina sy ireo mpanolotsaina

Nangotraka ny toe-draharaha tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Betsinjaka, Distrikan’i Toliara II, nanomboka ny zoma teo, amin’ny fitakian’ireo mpiasan’ny Kaominina sy ireo mpanolontsaina Kaominaly ary ny vahoaka nilanja sora-baventy, mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanàna amperinasa Ferdinand Rakotoarison, izay Ben’ny tanàna tao anatin’ny 18 taona (nanomboka ny taona 2003 no mankaty). Mba tsy hahafahan’ity Ben’ny tanàna ity miditra ny birao fiasany, satria efa nisy didy navoakan’ny « Conseil d’état » mampihato azy amin’ny asany, dia nofantsihan’ireo mpitokona ny varavarana. Ary nisy antontan-taratasy sy sora-piakohonana may nisy nandoro ihany koa tao amin’io birao io.

 

Nofantsihan’ireo mpitokona ny birao. Taorian’ny famantsihana ny biraon’ny Kaominina sy fandorana antontan-taratasy ary ny fihoaram-pefy nisy, dia nametraka fitoriana ny Ben’ny tanàna ary naka Vadintany nanamarina ny zava-misy, ka efa mandeha ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao. « Misedra olana goavana amin’izao fotoana ny Kaominina Betsinjaka, satria hatramin’ny nitantanan’ny Maire Rakoto ny Kaominina, tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa, ary izahay mpanolontsaina kosa indray tsy mbola nivory mihitsy hatramin’izay. Koa mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanàna izahay, ary mila PDS na filohan’ny delegasiona manokana ny Kaominina hasolo an’ingahy Ben’ny tanàna. Nisy mpiasa hafa teo anivon’ny Kaominina nandoro taratasy fa tsy izahay. Mialà Maire fa tsy mila anao intsony izahay », hoy ireo mpitokona.

Herisetra. « Na inona na inona antony, tsy azo ekena ny famotehan-javatra, indridra fananana iombonana, misy antanan-tohatra natao hitarainana ary taratasy no tokony hampiasain’ ireo conseillers hampiato na hanesotra ahy amin’ny toerako, fa tsy afo na herisetra », hoy ny Ben’ny tanàna Ferdinand Rakotoarison, nanoloana ny mpanao gazety. Nanamafy ingahy Ben’ny tanàna, fa « mpanolontsaina Kaominaly miisa telo sy mpiasan’ny Kaominina efatra ary kandidà Ben’ny tanàna tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo no mitahona andian’olona manakorontana eto. Ary lainga ny filazana fa tsy mandray karama ny mpiasa ato. Mandray karama daholo ireo mpiasan’ny Kaominina 40 mahery ato. »

Eric Nahoda

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici