- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsizaraina : Misy mpisoloky mivarotra ny tanin’olona

Betsizaraina : Misy mpisoloky mivarotra ny tanin’olona

Tany misy taratasy mazava tsara no solokian’ny sasany amidy. Ary dia tena misy roboka amin’izany tokoa. Tany iray antsoina hoe alatsinainy, parcelle 49, ao amin’ny kaominina Ambohitriniandriana no voakasika. Manana velarana 1ha sy 20 ara mahery izy io. Rehefa hitan’ireo mpisoloky fa tsy misy mipetraka intsony ny tany dia namidin’izy ireo tamin’ny taratasy hosoka. Vitany hatramin’ny fanamarinam-pandovana, ny fanomezam-pahefana, ny taratasy fanolorana, ny taratasy fananan-tany izay hosoka avokoa. Ny tsy fantatr’izy ireo dia misy mpisolovava sy “administrateur civil” eo anivon’ireo mpandova. Ireo no manaraka akaiky ny raharaha ankehitriny ary nangataka ny mba hiantsoana azy ireo amin’ny 0331230686 raha sanatria ka misy olona mitady ho voasolokin’ireo mpivarotra tany amin’ny alàlan’ny taratasy hosoka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser