- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversBevalala : Zandary nentina nitsoaka raha tsy izany matin’ny olona

Bevalala : Zandary nentina nitsoaka raha tsy izany matin’ny olona

Omaly manodidina ny tamin’ny 11 ora sy sasany no nisy ny herisetra nataon’ity mpitandro ny filaminana ity tamin’ny olona iray. Fikasihan-tànana izay nitarika ny fahafatesan’ilay olona, teo an-toerana ihany. Tezitra tamin’izany ny fokonolona ary nanomboka niakatra ny feo. Tonga hatramin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka ny fikasana ary efa saika ho ratsy tanteraka ny toe-javatra  niseho. Tonga haingana ny zandary naka ilay olony teo ary nentina niala  malaky teo an-toerana mba hialana amin’izay fitsaram-bahoaka izay. Raha araka ny fanazavana azo voalohany, dia niditra an-tsehatra teo amin’ny adin’ny mpifankatia ity zandary ity. Izany dia teo anoloan’ny toeram-panaovana hazakaza-tsoavaly no niseho, ilay zandary rahateo no miandraikitra ny fiambenana ny toerana. Tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho ary mbola homarihan’ny fanadihadiana izay efa mandeha rahateo. Ny fantatra, dia ny fisian’ny fikasihan-tànana ary tany amin’ny faritra saro-pady no niantefa ka nitarika ilay fahafatesana. Fanindroany no nisy zandary nahafaty olona tao anatin’ny herinandro iray. Ny voalohany dia ilay iray nahafaty olona tamin’ny basy tao anaty “bar” noho ny hasarotam-piaro. Na tsy mitovy loatra kosa aza ny fisehoan’ny tranga, ity tany Bevalala ity dia nitarika fahafatesan’olona koa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici