- Publicité -
lundi, décembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversBevilany – Maevatanàna : Olona milaza fa akaikin’ny olomboafidy, mampitaraina ny olona

Bevilany – Maevatanàna : Olona milaza fa akaikin’ny olomboafidy, mampitaraina ny olona

Miteraka tsy fandriam-pahalemana sy fikorontanana eny anivon’ny fiaraha-monina ny tsindry sy tsy maty manonta, ataon’olona iray milaza ho akaikin’ny Solombavambahoakan’Ambovombe/Androy. Noho izany dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ambony ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Tsararano sy ny mponina any amin’ny fokontany Bevilany, Antanambao, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, amin’ny tokony hisian’ny fepetra horaisina amin’ity raharaha ity. Satria tsy vitan’io rangahy io misoloky sy mandrahona olona tsy manome vola aminy, fa mbola mibodo tanim-bahoaka eny an-tsaha, hany ka mampihorohoro sy hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny tenany raha toa ka tsy manaraka ny teniny ireo mponina any an-toerana. Tsara ny mampahafantatra fa efa nisy fitoriam-pokon’olona mikasika an’io lehilahy manao asa fanakorontana io eny amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana eto Maevatanàna, saingy mbola tsy hita kosa ny tohin’izany hatreto, raha ny vaovao voaray tamin’Atoa ben’ny tanàna hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici