- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversBezaha : Dahalo manao takalonaina, mitaky vola an-tapitrisany sy omby maro

Bezaha : Dahalo manao takalonaina, mitaky vola an-tapitrisany sy omby maro

Manoloana ny firongatry ny tsy fisian’ ny fandriampahalemana mampihorohoro tanteraka ny mponina ka iainan’izy ireo ao anaty tebiteby andro aman’ alina any amin’ny kaominina Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo sy ny manodidina, satria miseho lany ny fanaovan’ ireo dahalo takalonaina izay tsy mionona intsony amin’ny fandrobana fananana. Itakian’ny olon-dratsy vola an- tapitrisa ny sandan’ ny famotsorana izay lasibatra azony. Ankoatra ny vola dia misy ihany koa ireo mitaky omby. Raha ny loharanom- baovao voaray avy any an- toerana dia efa maro ireo lasibatr’ izany, saingy tsy afaka mametraka fitoriana any amin’ ny mpitandro filaminana noho ny tahotry ny fandrahonana mahazo azy.

Couvre-feu, hentitra ny fisavana. Noho ny fikorotanana sy fahasimban’ny fiarahamonim-bahoaka vokatry ny asa ratsy ao Bezaha, dia nandray andraikitra sy fepetra ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana nampian’ireo Raiamandreny am-panahy sy ny Olobe to teny, fa hiara – hiasa amin’ ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Amin’izao dia misy ny fiambenana sy ny fisafoana andro aman’ alina amin’ ny toerana rehetra, ka izay olona tratra amin’ izany dia hosamborina avy hatrany ary entina any amin’ ny Fitsarana any Toliara.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser