- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers“Bibiolona” : Tsy mba misy fanadihadiana misokatra akory

“Bibiolona” : Tsy mba misy fanadihadiana misokatra akory

Miteraka sahotaka eto amin’ny faritra maro eto Andrenivohitra ankehitriny ity resaka “bibiolona” ity. Ny antony dia satria misy ny olona sahy nijoro ho vavolombelona tamin’ny fahitalavitra fa nokaikerin’izany. Nisy ihany koa ny nanatona teny amin’ny toeram-pitsaboana ary nampiseho ny dian-kaikitra tamin’ny tambajotran-tserasera. Raha noraisina ho rediredy ity tranga ity teo aloha kely teo dia tsikaritra fa manintona ny sain’ny olona maro, toa ny teny Anjanahary izay nahoraka fa nisy biby nihinana alika teny an-toerana. Andrasan’ny olona ankehitriny ny fanazavana raha mitombina na tsia ity tranga “bibiolona” eto Andrenivohitra ity. Anjaran’ny manampahefana no manokatra fanadihadiana, izay raha araka  ny fahafantarana azy hatreto, dia tsy mbola nisy, eny fa na dia tsy sasatra aza ny haino aman-jery ny mitatitra fa mikorontan-tsaina ny olona ary miezaka ny mamantatra na tena misy na tsia ity raharaha ity. Tsy sarotra ny mamantatra an’izany raha nisy ny fahavononana. Kartie tsy mihoatra ny dimy mantsy no misy ny fitarainana dia: Ankadifotsy, Ambatobe, Analamahitsy ary Anjanahary. Inona ny olana raha mandefa ekipa amin’ny alina mandritra ny alina vitsivitsy mba mijery ifotony? Ny tokantrano iray ao Ankadifotsy aza, araka ny efa notaterina ihany, dia vonona ny hampiantrano izay tompon’andraikitra hijery ny fisian’ity biby hafahafa ity. Efa ho roa herinandro izay no nahoraka eran’ny tanàna ny fisian’ilay biby, saingy toa odian-tsy heno hatrany izany hatreto…

D.R  

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici