- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversBiraon’ny Doyen Médecine : Nodoran’ireo mpampihorohoro, izay efa nampiomana

Biraon’ny Doyen Médecine : Nodoran’ireo mpampihorohoro, izay efa nampiomana

Efa tafakatra eny amin’ny Anjerimanontolo ny asa fampihorohoroana. Biraon’ny Sojaben’ny sampam-pianarana “medecine” no nisy nandoro omaly vao maraim-be.

Fipoahana mafy dia mafy no nanaitra ireo zandary niambina teny an-toerana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fiarovana eny amin’ny Anjerimanontolo. Poa toa izay dia niredareda izay tsy izy ny afo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Birao iray, an’ny Doyen-n’ny “medecine” no nirehitra, angamba nisy nandoro. Voalazan’ny loharanom-baovao teny an-toerana tokoa mantsy fa avy ao anatiny no nitrangan’izany fipoahana izany, ka nahatonga io fahamaizana io. Nanamafy izany ny lehiben’ny fiarovana teny an-toerana fa mbola nahita tavoahangy nisy lasantsy teo ambanin’ny varavaran-kelin’ity birao ity, izay ankevitry ny nandoroana io trano io. Niredareda ny afo avy eo, ka tsy maintsy niantsoana mpamonjy voina nifehy izany. Potika tanteraka avokoa ny entana rehetra tao anatin’ity birao ity. Kila tamin’izany ny solosaina sy ny fanaka maromaro, niaraka tamin’ny antontan-taratasy maromaro. Raha ny fantatra hatrany dia ankevitr’ireo taratasim-panadinana, hidirana amin’ny taona faharoa mihitsy no tena nokendren’ireo nahavanon-doza. Soa ihany anefa fa tsara toerana izy ireo, raha ny voalazan’ny Sojabe hatrany, ka voaaro tamin’izany. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay olona nahavita izao asa ratsy izao. Raha ny voalaza teny an-toerana fotsiny dia efa in-droa amin’izao no nitrangan-javatra tao main’ity birao ity. Ny voalohany dia nitranga ny volana novambra lasa teo. Novakian’ny olona tsy fantatra mantsy io efitrano io tamin’izay. Tsy fantatra mazava izay zavatra lasa tamin’io fotoana io, eny fa ny fomba nidiran’izy ireo tao ihany koa aza. Mbola ankevitry ny taratasim-pananadinana ihany no saika hopotehina tamin’izany, raha ny loharanom-baovao hatrany. Nametraka taratasy fampihorohoroana mihitsy aza ireo olon-dratsy taorian’ny nandalovany tao amin’ity birao ity tamin’io fotoana io. Mandrahoana ny mbola hitohizan’io fandrobana sy ny tariny ireo olon-dratsy, raha toa ka tsy avela manala fanadinana ireo ankizy voahilika tsy hanao izany. Ary dia io nitranga io tokoa ny fahamaizan’ilay trano.. “Fampihorohoroana ny mpampianatra izao”, hoy ny fanambaran’ny Sojabe niaraka tamin’ireo mpampianatra, “koa miantso ny tsirairay hiara-kiasa hitady ireo nahavanon-doza.” Ahiana ho ireo olona ireo ihany, araka izany, no nahavita izao hain-trano izao, raha ny loharanom-baovao ihany. Na izany na tsy izany dia fantatra fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao, hikarohana ireo mpampihorohoro.

m.L / Ornella A. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser