
Anisan’ireo tompon’antoka amin’ny fanaparitahana ireto karazana rongony mahery vaika ireto ao an-tampon-tanan’Antsiranana ry zalahy voasambotry ny pôlisin’ny « stup » ireto. Ny herinandro teo izy ireo no voapaingotra ary nadoboka am-ponja ny alatsinainy lasa teo.
Mihamahazo vahana any an-toerana tokoa ny fandraisana itony rongony mahery vaika itony, araka ny fampitam-baovao azo. Antony iray nihetsehan’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, hanao fanadihadiana lalina sy hisafo ireo fokontany rehetra any an-toerana. Tao anatin’izay fanaovana hetsika izay no nahatratrarana tovolahy iray nampiahiahy tao amin’ny fokontany Avenir. Rehefa natao ny fisavàna ity farany dia nahitàna fonosana rongony « cocaine » miisa telo tany aminy. Tsy nijanona hatreo anefa, raha ny voalaza fa ny mbola nahitàna « skunk » maromaro ihany koa tao an-tranony, taorian’ny fisavàna. Tamin’ny fakàna am-bavany an-dranamana no niaikeny fa isan’ny mpidoroka sy mivarotra izany rongony mahery vaika izany ny tenany, ary nanoro olona iray hafa, fakàna ireto zava-mahadomelina ireto. Tsy niandry ela moa ny fisamborana ity farany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana savaranonando natao tamin’izy roa lahy ireto fa isan’ireo mpamatsy rongony any an-toerana izy ireo. Tsy izy roa lahy irery ireto anefa fa ankevitry ny efa tambajotra lehibe, satria voalaza fa mbola misy ireo naman’izy ireo, izay mbola karohin’ireo pôlisy mpanao famotorana amin’izao fotoana izao. Izy roa lahy ireto kosa, natolotra ny Fampanoavana ary izao nadoboka am-ponja vonjimaika izao, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L