- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBizina « Heroine » : isy valolahy indray no voasambotra, efa mpamerin-keloka...

Bizina « Heroine » : isy valolahy indray no voasambotra, efa mpamerin-keloka ny sasany

Manodidina ny 5000 ariary eo ho eo no ivarotan’ireo mpibizina ny fonosana iray, izany hoe indray mitsindrona amin’itony karazan-drongony mahery vaika, « heroine » itony. Maro amin’ny olona, indrindra fa ireo tanora, araka izany no roboka, ary ireto farany indray no mamorona bizina, lasa mpivarotra sy maka tombony kely, ahafahany mividy ho azy. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy mpamongady sy mpamatsy izy ireo, ary efa miroso amin’izay fanadihadiana izay ireo mpitandro filaminana.

Saingy hatreto aloha dia saika mijanona foana amin’ireo « mpibizina madinika », izay sady mpivarotra no mitsindrona ny fisamborana, izay heverina fa tsy maintsy hitondra any amin’ireo tondro vaventy. Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy dia nahatratra valo ireo olona voasambotra, mpivarotra sy mpitsindrona heroine teto an-drenivohitra. Ny efatra teny amin’iny faritra Ambohimiadana Avaratra iny ary ny efatra hafa dia teny Behoririka. Samy tra-tehaka niaraka tamin’ireo ambina zava-mahadomelina sy ireo fitaovana maro isan-karazany fitsindromany sy fivarotana izany moa izy ireo.

Na ireo eo anivon’ny kaomisaria na ny pôlisy misahana manokana ny ady amin’ny zava-mahadomelina moa dia manao izay tratrany tokoa amin’ity resaka ady amin’ny fiparitahan’ny « heroine » eto an-drenivohitra ity. Samy tafiditra ao anatin’ny hetsika manokana ho fampandriana fahalemana sy ho famongorana ireo totakely avokoa moa izany. Ireo tratra tetsy Ambohimiadana avaratra tokoa mantsy dia ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina, teo am-panaovana fisafoana no nahatratra azy ireo. Raha angom-baovao kosa no nahafantaran’ny pôlisin’ny « stup » ny fisian’ireo mpibizina « heroine » tetsy Behoririka. Misy sasany amin’ireto voasambotra ireto, hoy hatrany ny vaovao, no efa nigadra sy efa mpamerin-keloka, kanefa dia mbola miverina hatrany manao ny asa ratsiny, rehefa avy any. Efa samy notanana natao andrimaso avokoa moa izy valolahy ireto ary raha tsy misy ny fiovàna dia hatolotra ny Fampanoavana anio izy ireo.

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici