- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBizina lakolosy : Mpangalatra iray maty voatifitra

Bizina lakolosy : Mpangalatra iray maty voatifitra

Lasibatra indray amin’izao ny lakolosim-piangonana. Ny alarobia lasa teo, mpangalatra lakolosim-piangonana roa no maty voatifitry ny fokonolona, teny ambony tilikambo raha nikasa ny hangalatra ny lakolosin’ny fiangonana tao Mavandy, ao amin’ny kaominina Malakialina, any amin’iny distrikan’i Mampikony. Manodidina ny 20 tapitrisa ariary eo ho eo no teti-bidin’ity lakolosy ity raha ny fampitam-baovao azo, hany ka tsy mahagaga raha nanintona ireo mpangalatra. Raha ny fantatra mantsy dia nanodidina ny enina teo ireto mpangalatra ireto. Nisy nahatsikaritra anefa ny asa ratsin’izy ireo ka niray hina ny fokonolona nanenjika azy ireo, ka io nahafaty ny roa tamin’izy ireo, telo kosa no azo sambo-belona ary tafaporitsaka ny iray. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana nitondra ireo voasambotra, mba hisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka hisy. Efa mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ilay nitsoaka raha ny vaovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici