- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rongony : 72 kilao indray no saika haondrana any Mahajanga

Bizina rongony : 72 kilao indray no saika haondrana any Mahajanga

Nahazoana vokatra indray ny vaovao azo avy tamin’olona tsara sitrapo mahakasika ity  trafikana sy bizina rongony ity. Lehilahy roa mantsy no voasambotry ny pôlisy avy tao amin’ny kaomisarian’Ambanja, nikasa ny hanondrana rongony am-polony kilao any Mahajanga. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, ny faramparan’ny herinandro teo, dia nisy tsilian-tsofitra tonga tany amin’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny fisiana olona mampiahiahy, mamatratra zavatra amin’ny gony maromaro tao Ambanja. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo pôlisy ary nidina tany amin’io toerana voalazan’ny vaovao io. Nanomboka teo ny fanaraha-maso sy ny fitiliana ireo olona mifamezivezy tao an-toerana. Lehilahy roa no hita milojehitra gony maromaro. Nanatonina avy hatrany izy ireo ary nosavaina. Tra-tehaka teo ny nafenina. Fehezan-drongony maina, efa vonona sy voafantina tsara, toy ireny lavanila ireny, natandahatra tsara tao anaty gony. Teo no ho eo ihany moa dia nosamborina izy roa lahy ireto, ary nentina natao fanadihadiana tany amin’iny biraon’ny kaomisaria. Fantatra amin’izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany fa milanja eo amin’ny 72 kilao eo ny totalin’izany zava-mahadomelina izany ary nokasaina tokoa halefa sy haparitaka ao an-drenivohitr’i Boina. « Araka ny fantatra, hoy hatrany ny vaovao, dia novidina tany amin’ny faritra Anaborano Ifasy, distrikan’Ambilobe ireto rongony ireto ». Efa eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika izany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Mitohy kosa ny fakàna am-bavany azy roa lahy ary heverina, fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici