- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rôrô : Andian-behivavy voasambotra

Bizina rôrô : Andian-behivavy voasambotra

Misoko mangina ! Raha tsy dia re feo intsony tato ho ato izay ny resaka rôrô dia fantatra fa mbola misoko mangina eny anivon’ny fiarahamonina eny ity zava-mahadomelina mahery vaika ity. Mbola misy ireo mpivarotra sy mpibizina ary mbola maro ihany koa ireo mpihinana, eny fa na dia hiaraha-mahalala aza ny vokadratsy aterak’izany. Ny mahagaga sy mahavarina dia mazàna dia eny amin’ireo faritra sokajiana ho « iva » no tena miparitaka dia miparitaka ity rongony mahery vaika ity, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy iny faritra Isotry sy Antohomadinika iny. Taorian’ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny pôlisy mahakasika izay indrindra no nanapa-kevitry ny teo anivon’ny kaomisaria foibe ny hanao hetsika sy hanao bemidina teny amin’iny faritra iny, entina hamongorana tanteraka ity fanetriben’ny firenena ity, ny herinandro lasa teo iny. Tao anatin’izay hazalambo izay no nahatratra olona efatra, vehivavy  telo sy lehilahy iray, izay nohahiahiana fatratra ho isan’ireo mpanaparitaka rôrô eny an-toerana. Tsy nidilatra tokoa ny ahiahy satria tratra tany amin’izy efatra mianadahy ireto ny « rôrô » efa vita fono, nahatratra hatrany amin’ny 51 isa tany ho any. Tao anaty fisavàna goavana mihitsy vao nahitàna izany satria, raha ny fampitam-baovao azo dia nezahin’izy ireo nafeniny faran’ny lalina tanaty akanjon’ny iray tamin’ireo vehivavy voasambotra izany. Ny voalohan’ny herinandro teo no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireto ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici