- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBizina vy : Voaongotra hatramin’ny vavahadim-pasana tetsy Ambohimalaza

Bizina vy : Voaongotra hatramin’ny vavahadim-pasana tetsy Ambohimalaza

Efa saika voaongotra ihany saingy tsy afak’ireo olon-dratsy.

Lehilahy roa no tra-tehaka teo am-pibatana varavaram-by maromaro, tetsy Ambohitremo, Ambohimalaza , omaly maraina. Entana izay fantatra fa vao avy nangalarin’izy ireo tamin’ireo fasana tsy lavitra teo. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahefany maraina tany ho any, no nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, mahakasika ny fisiana olona mampiahiahy mihaodihaody teny Ambohitremo, kaominina Ambohimalaza. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary ary nahatsikaritra lehilahy roa, nilonjehitra varavaram-by maromaro. Niisa teo amin’ny sivy teo. Ny nahazendana an’ireto zandary dia ny sasany tamin’ireo varavaram-by dia mbola nisy nifatotra rojovy sy « cadenas ». Toe-javatra izay nampiahiahy ihany ka avy hatrany dia nosakanana sy nanontaniana mahakasika ireto entana ireto ry zalahy. Tsy afaka nilaza marina ny fiavian’ireo varavahady vy ireto anefa izy ireo ka voatery nentina natao fanadihadiana. Tany amin’ny famotorana savaranonando, hoy ny fanazavana azo no nahafantarana fa varavaram-by avy tamin’ireo fasana maromaro teo Ambohitremo sy ny manodidina izy ireo. Notanana avy hatrany izy ireo, ho amin’ny famotorana. Tsy vita hatreo anefa ny resaka fa rehefa nitohy ny fanadihadiana dia fantatra fa handeha ho haterin’izy ireo any amin’ireo olona efa mpandray azy ny entana. Taorian’io ihany dia efa nosamborina ny vehivavy iray, monina tao Anjozorokely, fokontany Fiadanana, kaominina Ambohimalaza. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka omaly hariva, lehilahy tetsy amin’ny Fasankarana ihany koa no nosamborina. Voalaza fa isan’ireo mpiray tendro amin’ny fandraisana ireo vy halatra ireto ity farany. Hatreto araka izany dia tafakatra efatra no voasambotry ny zandary ary notanana natao andrimaso eny amin’ny biraon’izy ireo. Mbola mitohy hatrany kosa ny famotorana azy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo. Fantatra mantsy fa nisy roalahy tafatsoaka, izay naman’ireo mpangalatra vavahadim-pasana ireo tamin’ny fotoana nahatratrarana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici