- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBNI Ankorondrano : Notafihan’ny jiolahy, lasa ny vola iray baoritra

BNI Ankorondrano : Notafihan’ny jiolahy, lasa ny vola iray baoritra

Dia tsy mba fantatra mihitsy hatramin’izao hoe avy aiza ihany ny basy…
Dia tsy mba fantatra mihitsy hatramin’izao hoe avy aiza ihany ny basy…

Nirefotra ny basy ary lasa ny volabe saika haterina tao amin’ny banky. Nisy naratra iray tao anatin’izany fifanjevoana tao anatin’ny toerana izay isan’ny milamina eto Tana izany.

Manodidina ny tamin’ny 12 ora sy sasany teo, tao amin’ny toerana iray izay tsy azo eritreretina hisian’ny asan-jiolahy mihitsy, no nirefotra ny basy omaly : nisy nanafika tao amin’ny BNI Ankorondrano, ao anatin’ny faritra Zital. « Fiara kangoo iray, miloko volon-davenona, no nijanona teo anoloan’ny banky, teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara. Nivoaka ny mpamily ary nibata baoritra iray. Tsy tapitapitr’izay dia nisy roa lahy nandeha ‘scooter’ ihany koa ary nijanona sady namoaka basy. Basy P.A no fahitako azy . Nambanan’ilay lehilahy somary mainty ary ranjanana tamin’iny ilay mpamily » raha araka ny fanazavan’ny olona iray izay saika ho ao amin’ny banky, ka nahatsikaritra ny zava-nitranga rehetra. Notohizany fa namaly ilay rangahy mpamily ary izany no antony nitifiran’ilay jiolahy, izay tsy misaron-tava akory, azy io. Mba afa-doza ilay olona, satria nandalo teo amin’ny sisin’ny tendany ny bala. Na izany aza anefa, dia naratra mafy izy ary nitete ny rà teo an-toerana. Nobatain’ilay jiolahy ny baoritra izay hatreto dia feno vola. Nentina tamin’ny môtô izay efa nandrasan’ilay namany iray, tsy hita tava, satria nanao aroloha. Nisy indro kely : tsy nety velona ilay môtô raha tsy minitra vitsy taty aoriana. Tao anatin’izany anefa dia tsy nisy sahy nihetsika ny olon-drehetra teo an-toerana, mazava hoazy noho ny tahotra ilay fitaovam-piadiana teny amin’ireo jiolahy. Rehefa velona ny môtô dia lasa nivoaka avy any amin’ny fivoahana hafa ireo olon-dratsy, tany amin’ny lalana izay ny mpiasan’ny orinasa iray ao anatin’ny Zital ihany no afaka mivezivezy eo. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra ary rehefa tonga ny pôlisy, folo minitra taty aoriana, dia niezaka ny nisafo ny manodidina. Fantatra omaly ihany fa hita teny amin’ny làlana Masay ilay môtô nampiasain’ireo jiolahy. Narian’izy ireo teny izany, raha ny marimarina kokoa, dia nandeha an-tongotra tany anaty tanàna tany izy ireo nony avy eo. Omaly ihany dia fantatra fa volan’ny orinasa miandraikitra ny fitaterana an’habakabaka ka saika haterina ao amin’ny banky ilay volabe lasan’ireo olon-dratsy. Tsy takona afenina intsony ankehitriny ny firongatry ny asaratsy eto an-drenivohitra, noho ny fiparitaky ny basy. Efa notaterina hatrany fa raha tsy misy ny paika mazava hapetraka momba ny fampiasana ireo P.A sy Kalachnikov izay miverimberina hatrany ny fampiasan’ny jiolahy azy, kanefa fitaovam-piadiana izay tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no tokony hampiasa azy, dia ho sasa-poana ny ady amin’ny olon-dratsy. Tsy afaka ny hanao ny asa ratsiny ny jiolahy rehefa tsy misy basy. Dikany, any amin’ny fiparitahan’izany no mila hamafisina bebe kokoa…

Didi R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser