Vokatry ny fisafoana (inspection) nataon’ny BOA foibe avy any Antananarivo, andro vitsy lasa teo, dia tsikaritra fa nisy ny fanodinkodinam-bola mitentina 200 tapitrisa ariary, tao amin’ny masoivohon’ny BOA Ambositra. Fantatra ihany koa, fa efa eo am-pelatanan’ny polisy eto Ambositra ny raharaha, ka voarohirohy amin’izany, ny « directrice d’agence » izy tomponandraikitra voalohany, ka notazonina vonjimaika alohan’ny handefasana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana. Andrasana arak’izany ny ho tohin’ny raharaha.
Anastase