- Publicité -
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBoeny/Betsiboka : Nikaondoha niarahana amin'ny ady atao amin'ny tsy fandriam-pahalemana ireolehiben’ny zandary

Boeny/Betsiboka : Nikaondoha niarahana amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana ireolehiben’ny zandary

Nikaondoha niarahana ireo lehiben’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena eto Maevatanàna sy Ambatoboeny, ary ireo kaomadan’ny Borogady no natao tao amin’ny biraom-piasan’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty Betsiboka ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, hiadiana amin’ny asan-dahalo miampy halatr’omby eny anelanelan’ny sisin-tanin’Ankirihitra, Mangabe, Mahazomà, Kandreho, izay lalan-kizoran’ireo malaso. Izao hetsika izao no natao mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra sy miantefa amin’ireo vahoaka. Tsy maintsy hatao aza lambo ihany koa ny dahalo tafiditra ao anaty lisitra sy ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, izay mampitondra faisana ny mponina, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny sy ato anatin’ny faritra Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka no nitarika ny fihaonana teto no tsy hilefitra amin’ireo jiolahy fahavalom-bahoaka ihany koa ny mpitandro ny filaminana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici