Nisy zandary mpandamina fifamoivoizana , misava sy manara-maso ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha 6 iny, ny marainan’ ny 10 febroary teo tokotokony ho tamin’ ny 9 ora sy sasany teo ho eo. Nandalo teo amin-dry zalahy ireto dahalo ka nanao dia maika sy kaodikaody. Avy hatrany koa moa dia mahana ireto zandary ka nampijanona ireto mpandeha an-tongotra hosavaina. Hita tany amin’ izy ireo tamin’ izany ny basy vita gasy manao endrika kalach, sy moara, ary kiririoka. Nampidirina tao anaty fiara avy hatrany izy roalahy ireto mba hoentina hatao famotorana. Teny an-dalana anefa dia niporitsaka izy roa lahy ireto, ary nanan-kevitra ny handositra . Raikitra ny fifanjevoana ka voatery nitifitra ireto zandary. Lavon’ny bala avy hatrany ireto olon-dratsy ka fantatra tamin’ izany fa dahalo efa raindahiny amin’ ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana izy ireto. Anisan’ ny nahery vaika tamin’ izany ny fanafihana nataon-dry zalahy ireto ny 20 septembre 2012, ka naharatrana zandary iray ary tena nitondra faisana tokoa, satria dia takaitra nentina hatramin’ izao ny ratra nahazo azy.
ALEM