- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBOINA : Mahajanga Taolam-paty iray gony nafangaro niaraka tamin’ny saribao, saron'ny polisy

BOINA : Mahajanga Taolam-paty iray gony nafangaro niaraka tamin’ny saribao, saron’ny polisy

Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia taolam-paty iray gony izay miisa 35 nafatratra tao anaty gonin-tsaribao nafangaro niaraka tamin’ny arina fandrehitra mba tsy hahafantarana an’ireto taolam-paty, no saron’ny polisy ao amin’ny hery vonjy taitra Antanimasaja, tao amin’ny fokontany Aranta, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora, ka ramatoa iray sahabo 32 taona eo, nitondra an’ireto taolam-paty no voasambotra hatao fanadihadiana lalina amin’izao. Raha ny nambaran’ny kaomisera Ratsirahonana Andriamanana Haja, kaomandin’ny Fip Mahajanga, dia tsy mety manondro ny toerana nakany ireo taolam-paty sy ny olona mety hividy izany ity ramatoa voarohirohy. Hatreto ihany koa, hoy hatrany ity manamboninahitry ny polisim-pirenena ity, dia tsy mbola nisy olona nitaraina ho vaky fasana. Aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana, dia hatolotra ny fampanaovana tsy ho ela ity mpibizina « saphir blanc ».

Eric Manitrisa

Oniversiten’i Mahajanga

Olana ara-trano, mitokona nanomboka omaly indray ireo mpianatra

Taorian’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny haino aman-jery ny alatsinainy teo, tapitra ny 48 ora fe-potoana nomen’ireo mpianatra ny mpitantana ny oniversiten’i Mahajanga momba ny famahana haingana olana ara-trano sy ny famerenana ireo mpianatra miisa 18 izay tsy mahazo miverina mianatra raha tsy amin’ny herintaona, araka ny valin’ny Codis navoakan’ny filankevitra, izay tsy ankasitrahan’ireo mpianatra, ka niverina mitokona indray ireo mpianatra, omaly. Ny andron’ny omaly naraina io, dia nosakanan’ireo mpianatra maro be mitokona ny lalàna miditra ny « campus » Ambondrona, ary tsy avelan’izy ireo ho azo ivezivezena. Raikitra ihany koa ny fandorana kodiarana sy vantan-kazo teny ampovoan’arabe. Ny fototry ny olana, raha ny fampitam-baovao azo, dia takian’ireto mpianatra migrevy ireto ny hamerenana ny fitantanana ny trano amin’ny fikambanana ara-pihaviana efa nijoro hatrizay sy ny hamerenana mianatra tsy misy hataka andro ireo mpianatra efa nahazo fanalefahan-tsazy, kanefa tsy nanaiky izany fangatahana izany ny mpitantana ao amin’ny oniversitén’i Mahajanga. « Tsy marina ny fanambaran’ny filohan’ny oniversite, ny faran’ny herinandro teo, fa tafiditra amin’ny trano avokoa ireo mpianatra miisa 1.023 nanao fangatahana, kanefa maro taminay  mpianatra nameno sy nanatitra taratasy fangatahana no tsy tafiditra anaty lisitra navoaka », raha ny nambaran’ny mpitondratenin’ ireto mpianatra mitokona.

Eric Manitrisa

Ambatomainty

May kila forehitry ny afo nisy nandoro ny biraon’ny lycée

Very fanahy mbola velona ny mpiara-belona, ary ho aiza ihany no hiafaran’ity firenentsika ity ? Efitrano roa mitafo satrana nandrafitra ny biraon’ny lisean’ Ambatomainty, any amin’ny Faritra Melaky, no nisy nandoro, afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny dimy ora, ka may kila forehitry ny afo ity tranom-panjakana ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia misy mpiambina matory ao amin’io birao io isaky ny alina. Misokatra ankehitriny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny mpitandro ny filaminana mahakasika an’ity doro trano ity, izay tsy mbola fantatra mazava tsara hatreto ny antony naha may azy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici