- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversBois de rose : Matahotra arakaraka ny mpitondra ao SAVA

Bois de rose : Matahotra arakaraka ny mpitondra ao SAVA

Anisan’ny nanaitra ny vahoaka ao Sambava ny  zavatra nivoaka avy tamin ny fivorian’ny OMC REG notarihin’ny Chef De Region MANANJARA Lucien tamin’ny zoma lasa teo . Lohahevitra maromaro no nodinihana tamin’izany, tao ny  ny fandriampahalemana sy ny fitsimbinana ireo harena voajanahary aty amin’ny Faritra SAVA izay nirongatra sy  lasa gaboraraka . Anisany nasaina niatrika io fivoriana io, ireo avy amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy ny Ala. Voaresaka manokana ny raharaha bolabola. Napetraky ny Lehiben’ny faritra Mananjara Lucie , ny momba ny didy aman-dalàna mahakasika ny fandrarana , fanapahana, fitaterana ary ny fiarovana ireny hazo sarobidy ireny. Tsy mbola misy lalàna  manafoana izany hoy  ny avy amin’ny tontolo iainana sy ny ala, ka tokony handraisana fanapahankevitra hentitra. Tsy nisy olona nahazo fampitam-baovao, ary tsy sambany nisy ny raharahan’ny « bois de rose », izao vao taitra ny mpitondra ao amin’ny faritra SAVA. Soa ihany fa misy  na tsy maro aza ny tia tanindrazana sy miaro ny tontolo iainana. Tsy sambany ary matetika misy sambo lehibe mijanona ao amin’ny faritra Antala maka io bolabola io , nefa tsy nisy fisavana hatramin’izay. Amin’izao dia lasa misy tanàna amoron’ny ranomasina fanondranana azy. Tsy hita sa atao tsy  hita ireny. Maro ny olona gaga na tamin’ny samy mpivory aza.

Filoha vaovao. Anisan’ny olana mipetraka ao Sambava ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana iray nanjavona ny fiara vaventy nitondra ny bolabola, izay nahazoany famindran-toerana. Hatramin’izao dia tsy hita ny nalehan’ireo bolabola  maro be ireo. Tamin’izay nanome toky ny zandary tao Sambava fa hikaroka izay tompon’ny entana . Hatramin’izao tsy hita ary tsy fantatra ny tena tompony. Tahaka izany koa ny teny amin ny toby miaramila Ambolimadinika Sambava ka nametrahan’ny vahoaka fanontaniana hoe,fomba ahoana no  namoahana azy ireny, an’iza , nankaiza, iza  no nahazo tombontsoa amin’izany? Tsy misy valiny io hatramin’izao. Nieritreritra ny vahoaka maro tamin’ny fanadihadiana momba ity bolabola ity fa handray andraikitra ireo mpitondra ambony avy amin’ny faritra SAVA , hiaro ny harena ao aminy , tsy misy izany ary vokany simba ny tontolo iainana ao Sambava amin’izao. Ny olona izay nandray andraikitra indray no nahazo “affectation”. Matahotra ny mpitondra maro ao SAVA amin’izao governemanta vaovao izay hitsangana eo sao ,  hisy arakaraka ny raharahan’ny bois de rose. Raikitra amin’izay ny fandraisana andraikitra. Taiza ny Lehiben’ny ala tamin’izay  fotoana lava 5taona izay. Misy farany ny zavatra rehetra. Mangataka ny filoham-pirenena hanao fanadihadiana lalina momba io bolabola io ny vahoaka sy ny mpandraharaha madinika ao an§toerana.

V.JCL

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser